Nitarika ny « Conférence des Présidents des Universités » (CPU) ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Nanatrika izany mivantana sy nampitain-davitra ireo Filohan’ny Oniversite sy Oniversite manakaiky vahoaka ary Tale Jeneralin’ny IST.
Mialohan'ny zava-drehetra dia laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny MESUPRES ny fanatsarana sy ny fanorenana fotodrafitrasa. Mifandraika amin'izany indrindra dia hisy ny fakan-kevitra handrafetana politika hanatsarana ny fitantanana ny trano fonenan'ny mpianatra izay handraisan'ny mpiantsehatra rehetra anjara.
Amin'ny ankapobeny, nohamafisina ny ezaka iombonana hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony, ho tombontsoan’ny mpianatra sy ny fampandrosoana ny Oniversite manerana an’i Madagasikara. Ary nohamafisina ny fampandraisana andraikitra ny eny anivon'ny Oniversite amin'ny fanatanterahana izany.
Nandritra ny fihaonana dia nisy ihany koa ny antso natao ho an’ireo Oniversite sy ny mpiara-miombona antoka rehetra mba handray anjara mavitrika amin’ny “Universiade”, ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony.