Ny 14 oktobra 2026, nidina ifotony nijery ny fanohizana ny asa fanorenana ny Oniversiten'Antsohihy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ireo olobe teo an-toerana sy ny Solombavambahoakan’Antsohihy. Marihina fa orinasa vaovao no mandray ny asa. Nifanaiky ny rehetra fa hiara-hientana sy hanara-maso akaiky ny fanatanterahana izany.
* 𝑭𝒊𝒉𝒂𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂
Taorian'izay dia nihaino ny hetahetan’ny mpianatra tao amin’ny Institut Universitaire de Technologie et d'Agronomie de Mahajanga (IUTAM) ao Antsohihy ny Minisitra. Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny firaisankinan’ny mpianatra sy ny fikarakarana azy ireo, ho fanomanana ny hoavin’ny Firenena.
* 𝑭𝒊𝒉𝒂𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂
Nifantoka tamin’ny filàn’ny mpampianatra sy ny fanatsarana ny fampianarana ambaratonga ambony any amin’ny Faritra ny dinika. Nohamafisin’ny Minisitra fa hatao laharam-pahamehana ny eny anivon’ny Oniversite manakaiky vahoaka, anisan'izany ny ao Antsohihy sy Mandritsara.