Feno 68 taona katroka ny nandraisana tamin’ny fomba ôfisialy ny Repoblika Voalohany. Nomarihina tamin’ny alalan’ny matso lehibe tao amin’ny seranam-piaramanidin’Antsohihy, Ambalabe Est izany ny 14 oktobra 2026.

Nialoha izany dia nisy ny fisafoana ny andian-tafika nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, amin’ny maha Filoha Faratampon’ny Foloalindahy azy.

Nanotrona izany ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

"Fahafahana: fanavaozana ho amin'ny tena fahaleovantena sy fandrosoana" no lohahevitra voizina nandritra izany.