Ho fanamarihana ny faha-14 Oktobra, izay ahatsiarovana ny nananganana ny Repoblika Malagasy voalohany tamin’ny taona 1958, dia natomboka ny 13 oktobra 2026 tao Antsohihy ireo hetsika samihafa notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanatrika izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Isan'ireo notokanana nandritra izany ny Vakok'i Sofia sy ny Tsangambaton’ny fahafahana, ary ny fanokafana ny fampirantiana « Vohitry ny Kolontsaina ». Tanjona amin’izany ny hitahiry sy hampiroborobo ny vakoka ara-kolontsaina sy ara-tantara, ary hanamafy ny anjara toeran’ny Faritra Sofia eo amin’ny tantaram-pirenena sy ny fikarohana momba ny vakoka.

Nitsidika ny Résidence Philibert Tsiranana ny delegasiona, mialohan'ny fihaonana tamin’ny vahoakan’i Sofia tao amin’ny Kianjan'Antsohihy.