Nanatanteraka fihaonana niaraka tamin’ireo solontenan’ny ivon-toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina manerana ny Nosy, teto Fiadanana sy nampitain-davitra ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa (MESUPRES), ny 9 oktobra 2026. Nifantoka tamin’ny tomban’ezaky ny Vaomiera Nasionaly misahana ny Fankatoavana (CNH) ho an’ny taona 2026 ny fihaonana. Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana ambaratonga Ambony, Pr RAHERINIRINA Angelo, sy ny Talen’ny Fankatoavana sy Fiantohana ny Kalitao, Dr RAKOTONIAINA Bearisoa.

Miisa 600 mahery ny fangatahana fankatoavana voaray tamin'ity taona ity raha manodidina ny 220 izany tamin'ny 2025. 549 tamin'ireo no voaray hodinihana. Miisa 65 ireo manam-pahaizana nandray anjara amin'ny fanombanana.

Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fanarahana ny fenitra takiana, mba hahazoan’ny mpianatra fiofanana azo antoka sy mifanaraka amin’ny filàn’ny fiarahamonina, ary hisorohana ny fisian’ny diplaoma tsy ara-dalàna.

Hivoaka ao amin'ny tranokalan'ny MESUPRES (plateforme HAE) mandritry ny volana oktobra 2026 ny fanamarihana samihafa ho an'ny tompon'andraikitry ny lalam-piofanana tsirairay. Ireo izay manana olana dia afaka mitondra ny fanatsarana amin'ny CNH amin'ny volana desambra.