Manamafy ny ezaka ataony amin’ny fanohanana ireo mpianatra sy fanomanana tanora manana fahalalana sy fahaiza-manao ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES). Ao anatin’izany ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra Malagasy hanohy ny fianarany any ivelany.

Ny 09 Oktobra 2026, noraisin’ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy teto Fiadanana ireo mpianatra Malagasy miisa 81 voafantina hahazo vatsim-pianarana makany Maroc, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027.

Nitsodrano sy nirary soa azy ireo ny Minisitra, hahavita soa aman-tsara ny lalam-piofanana nosafidiny. Notsindriany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiverenana an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana, mba hampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao azo ho anisan’ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Natolotra ireo mpianatra ny “attestations” manamarika ny fahazoan’izy ireo ny vatsim-pianarana. Nisy ihany koa ny fifampizarana traikefa sy torolalana avy amin’ireo mpianatra zokiny efa nianatra tany Maroc hanampy sy hampahery ireo mpianatra vaovao amin’ny fiainana any an-toerana sy ny fomba fiatrehana ny fianarana.