Napetraka tamin’ny fomba ôfisialy ny 8 oktobra 2026 ny Dr ANDRIAMAMPIANINA Fanamby Arijaona sy ny mpitsabo mpanampy Ramatoa LOVASOA Marie Noeline, hisahana ny Centre Médico-Social eny anivon’ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo (ESPA) ao Vontovorona.
Miverina misitraka ny tolotra ara-pahasalamana amin’ity ivon-toerana ity ny mpianatra, ny mpampianatra ary ny mpandraharaha eny an-toerana.
Nanatanteraka ny famindram-pitantanana ny Tale miandraikitra ny Centre Médico-Social Mère Enfant ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo, Ankatso, Dr RAVALONANDRASANA Rivoniaina, notronin'ny Tale misahana ny Mahaolona (DRH) ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nanatrika izany ny solontena avy amin'ny MESupReS, Dr RANAIVOSON Sahondra Lalao Olga, Tale misahana ny Mahaolona.