Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny fampananana asa ho an’ny tanora. Mifanojo amin'izany vina izany ny fandaharana asa TAFA, izay natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy hanamora ny fidirany eo amin’ny tontolon’ny asa.

Nofaranana tamin’ny fomba ôfisialy ny 8 oktobra 2026, teny amin’ny Bibliothèque Universitaire Ankatso, izany taorian’ny roa taona nanaovana ny tetikasa. Nanomboka tany amin’ny Faritra Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana ary Matsiatra Ambony ny fampiharana azy, ka tanora manodidina ny 700, 14 ka hatramin’ny 25 taona, no nisitraka izany.

Ankoatra ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora, dia nanohana ny MESUPRES ihany koa ny TAFA tamin’ny fampiharana ny didim-panjakana laharana faha-2026-1483 tamin’ny 10 Jona 2026, izay mametraka ny rafitra stratejika nasionaly momba ny fampananana asa sy ny fanamafisana ny fiofanana araka asa eo amin’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ny fahazoan’ireo mpisehatra ny votoatin’ny didim-panjakana sy ny fandrindrana ny fampiharana azy eny anivon’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony.

Nanatrika ny lanonam-pamaranana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.