Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, teto Fiadanana ny 06 Septambra 2024 ireo Filohan'ny Fikambanan’ny mpianatra isan-tsokajiny, nahitana ny Fikambanan’ny mpianatra manerana ny Faritra 23, ny Fikambanan’ny mpianatra avy ao amin'ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo, ireo Fikambanana pedagojika, ireo Filohan'ny "bloc" ary ny Filohan'ny Fikambanan’ny mpianatra monina eny amin’ny R+1 Ankatso II.

Niompana tamin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony ny fifanakalozana. Manoloana ireo hetaheta sy fangatahan’ireo mpianatra dia nanambara ny Minisitra fa hijery tsirairay ny olan’izy ireo ary hamaha izany manaraka ny laharam-pahamehana. Notsindriany ihany koa fa mila finiavana ny fanatsarana sy fanovana, ka mila ny fifanomezan-tanan’ny tsirairay satria miainga avy any ifotony ny famahana ny olana. Misokatra ho an’ny rehetra hatrany ny varavaran’ny Ministera amin’ny fifampiresahana.