Namaly ny fanasan’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ary nitsidika ny toerana misy ny Sekoly sy ny Oniversite tantanin’ny FCRA teny Andakana ny 8 Oktobra 2026.
Nohamafisiny tamin’izany ny fanohanan’ny Minisitera ny fifanampiana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy fampianarana ambaratonga ambony, indrindra amin’ny fanomezana fahafahana bebe kokoa ho an’ny zanaka Malagasy hahazo fampianarana tsara kalitao .
Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fanatsarana hatrany ny fanabeazana ihany koa ny mpitantana ny FCRA. Anisan’ny ezaka ataon’izy ireo ny fampidirana tsikelikely ny teknolojia, na eo amin’ny fotodrafitrasa na eo amin’ny fomba fampianarana, mba hifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra sy ny fivoaran’ny vanim-potoana.