Ao anatin'ny ezaka fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fikarohana indrindra ho fampandrosoana ny fanofanana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana dia nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ireo Sojabe sy Sojabe lefitra an'ireo Fakiolten’ny fitsaboana enina manerana an’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny 8 oktobra 2026 tao amin'ny UNIPOD Tsimbazaza.

Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy izany ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Nifantoka tamin’ny fanavaozana ny fiofanana ara-pitsaboana aorian’ny fahazoana ny “Doctorat en Médecine” sy ny fampifanarahana izany amin’ny rafitra LMD ny fifanakalozan-kevitra.

Tanjona ny hametrahana marimaritra iraisana eo amin’ireo Fakiolten'ny fitsaboana, ary hamolavola ny dingana sy ny rafitra ilaina amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana.

Nandray anjara tamin'izany ihany koa ny Solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara , Pr Laurent Musango, ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo tompona andraikitra eto anivon'ny MESUPRES.