Notanterahina tao amin’ny Bibliothèque Universitaire ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny 7 oktobra 2026, ny andiany faha-4 amin’ny « Conférence Régionale des Recteurs (C2R) de l'Afrique Australe et de l'Océan Indien » an’ny « Agence Universitaire de la Francophonie » (AUF).

Nivondrona tamin’ity fihaonana ity ireo tompona andraikitra ambony avy amin’ireo Oniversite sy andrim-pampianarana ambaratonga ambony, miankina sy tsy miankina, mpikambana ao aminy mba hifanakalo hevitra sy traikefa manodidina ny faharanitan-tsaina artifisialy sy ny nomerika, ny fikarohana, ny fivezivezena, ny fampandrosoana maharitra ary ny famolavolana tetikasa iombonana.

Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny fihaonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, izay nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fifanakalozana traikefa sy ny fananganana fiaraha-miasa mivaingana eo amin’ireo Oniversite.

Natsangana tamin’ny taona 2023 ny C2R. Tanjona ny hamolavolana fiaraha-miasa sy hetsika mivaingana, ary hanamafisana ny anjara toeran’ireo Oniversite amin’ny fiatrehana ireo fanamby lehibe atrehin’ny Faritra.