Nitarika ny fananganan-tsaina teto Fiadanana, ny 05 Oktobra 2026, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nirary soa sy fahazotoana ho an’ireo mpiasa rehetra ny Minisitra, ary nisaotra manokana ireo atleta nandray anjara tamin’ny ASIEF 2026. Notohizana tamin’ny fandraisana sy ny fizarana mari-pankasitrahana na “attestation” ho azy ireo ny fotoana.
Miisa 54 ireo mpandray anjara nisolotena ny MESUPRES, ka 28 ny medaly azo, ahitana medaly volamena 10, medaly volafotsy 9 ary medaly alimo 9.
Naneho fisaorana ireo mpandray anjara sy namporisika azy ireo hitondra avo hatrany ny voninahitry ny MESUPRES ny Minisitra.
Mirary volana feno fahombiazana ho an’ny rehetra.