2 Oktobra 2026 | Hôtel Panorama

Anisan’ireo fanamby lehibe eo amin’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara ny fampananana asa ireo nahazo diplaoma sy ny fanamafisana ny fiofanana mifanaraka amin’ny asa, manoloana ny filàn’ny mpianatra, ny takian’ny tsenan’asa ary ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Ao anatin’izany no nametrahana ny didim-panjakana laharana faha-2026-1483 tamin’ny 10 Jona 2026, izay mametraka ny rafitra stratejika nasionaly momba ny fampananana asa sy ny fanamafisana ny fiofanana araka asa eo amin’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara.

Ho fanamafisana ny fahazoana sy ny fampiharana izany dia nisy ny atrikasa nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), niaraka tamin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara sy ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF), ao anatin’ny tetikasa TAFA, ny 2 oktobra 2026, teny amin’ny Hôtel Panorama.

Nohazavaina ny votoatin’ny didim-panjakana sy ny fepetra ahafahana mampihatra azy eny anivon’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony, ary nofaritana ihany koa ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay. Tanjona ny hanamafisana ny fifandraisan’ny fiofanana sy ny tontolon’ny asa, mba hanamorana ny fidiran’ireo tanora nahazo diplaoma eo amin’ny tsenan’asa sy ny fandraharahana.

Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny atrikasa ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala.