Hanamafisana ny fampitaovana informatika sy hanohanana ny fanatanterahana ny asa eo anivon’ny Oniversite, solosaina miisa 40 no natolotra tamin’ny fomba ôfisialy ny Oniversiten’i Vakinankaratra ny 2 oktobra 2026.
Nanao sonia ny fiaraha-miasa mikasika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Andriamatoa Mahefa Andriamampiadana.
Marihana fa ireto fitaovana ireto dia efa nampiasaina tamin’ny fikarakarana ny fanadinana Bakalorea farany tao Vakinankaratra ary izao natolotra tamin'ny fomba ôfisialy izao.