Nihaona tamin’ireo solontenan’ny « Plateforme des Directions Nationales de l’Enseignement Privé » (PDNE) ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, ny 1 oktobra 2026.

Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ny fampitoviana ny fomba fijery momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao.

Mitohy ny fampiharana ireo sokajy L, S ary OSE ao anatin’ny fandaharam-pibeazana. Na izany aza, mba hanamorana ny fifindrana mankany amin’ny fandaharam-pianarana vaovao, dia hisy “options” azon’ny mpianatra isafidianana ao anatin’ireo sokajy ireo ho an’ny Bakalorea 2027.

- 𝐒𝐨𝐤𝐚𝐣𝐲 𝐋 : option L, A1 ary A2 ;

- 𝐒𝐨𝐤𝐚𝐣𝐲 𝐒 : option S, C ary D ;

- 𝐒𝐨𝐤𝐚𝐣𝐲 𝐎𝐒𝐄 : Organisation – Société – Économie.

Nohamafisina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny sekoly tsy miankina amin’ny famolavolana ny laza adina sy ny fanatanterahana ny fanadinana. Nankasitraka tanteraka ny ezaka sy ny fiaraha-midinika nataon’ny Fitondram-panjakana hitadiavana vahaolana iombonana ho tombontsoan’ny mpianatra Malagasy ny PDNE.