Notanterahina ny 30 septambra 2026, teny amin’ny Oniversiten'Antananarivo ao Ankatso sy teny amin'ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo ao Vontovorona, ny lanonana roa sosona fanolorana tamin’ny fomba ôfisialy ireo “blocs sanitaires” an’ny mpianatra. Fotodrafitrasa natolotry ny Fitondram-panjakana mamaly ny filàna fototra sy manatsara ny tontolo iainan’ny mpianatra.
Nisolotena ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa teny Ankatso ny Sekretera Jeneraliny Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala ary ny Talen'ny Kabinetra Dr RAMAHEFASOA Barbin teny amin'ny ESPA ao Vontovorona.
Namafisin’ireo tompona andraikitra fa ilaina ny fikojakojana sy ny fikajiana ireo fotodrafitrasa mba haharitra sy hahasoa ny mpianatra ankehitriny sy ny taranaka ho avy izany. Mbola maro ireo tetikasa fanatsarana ny fotodrafitrasa eny anivon’ny fampianarana ambaratonga ambony, izay tanterahina tsikelikely araka ny dingana voafaritra.
Naneho ny fankasitrahany ny Fitondram-panjakana ireo mpianatra, noho ny fandraisana an-tanana ny maha-olona sy ny filàna fototra ilain’izy ireo eo amin’ny fiainana andavanandro eny amin’ny Oniversite.