Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana, ny 29 Septambra 2026, ireo Professeurs Agrégés, solontenan’ireo 35 nahomby tamin’ny “Concours National d’Agrégation en Médecine Humaine et en Odonto-Stomatologie 2026”.
Nandritra ny fihaonana dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fahombiazana sy ny haitsara eo amin’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ny Minisitra ary manaporofo izany hoy izy ny fahazoana ny mari-pahaizana “Agrégation” izay vokatry ny ezaka, fahafoizan-tena ary asa mafy nandritra ny taona maro.
Niantso azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fampianarana sy ny fanofanana ireo mpitsabo ho avy, ary hanampy amin’ny fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ihany koa ny Minisitra.
Naneho ny fahavononany hanatanteraka ny andraikiny amin’ny maha-mpampianatra ireo Professeurs Agrégés. Nambaran’izy ireo ihany koa ny fahavononany amin'ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Minisitera.