Nifarana ny 27 septambra 2026 ny fifaninanana. Nandritra izany dia namolavola tetikasa sy vahaolana vaovao azo ampiharina hamaliana ireo filàn’ny fiaraha-monina ny tanora mpianatra sy mpisehatra amin’ny siansa Malagasy ary manohana izany tanteraka ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa.
Nahazo ny laharana telo voalohany tamin’izany ireto tetikasa manaraka ireto :
- 𝐋𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 : 𝑻𝒆𝒂𝒎 𝑰𝒏𝒔𝒊𝒅𝒆 – 𝑴𝑰-𝑨𝑰𝑵𝑨 ( 𝑴𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝑰𝑵𝑺𝑰𝑫𝑬 𝑼𝒏𝒊𝒗𝒆𝒓𝒔𝒊𝒕𝒚) MI-AINA dia vahaolana ara-pahasalamana mampiasa ny faharanitan-tsaina artifisialy sy ny teknolojia IoT, ahafahana manamora ny fahazoana fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fihanaky ny aretina. Natao indrindra hanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny mponina any ambanivohitra izy, sady manampy amin’ny famantarana mialoha ireo toerana mety hisian’ny fihanaky ny valanaretina.
- 𝐋𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐫𝐨𝐚 : 𝑫𝒆𝒗-3𝑶𝑰 – 𝑴’𝑰𝑨𝑺𝑨 (𝑴𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝑬𝑵𝑰 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂) M’IASA dia sehatra an-tserasera natokana ho an’ny fambolena, izay mampifandray ny fianarana tekinika momba ny fambolena, ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy amin’ny famantarana olana, ary ny sehatra iray ahafahan’ny mpamokatra mivarotra ny vokatra. Miaraka amin’izany ny fampiasana fitaovana vaovao, mba hampifandraisana ny fahalalana azo amin’ny teoria sy ny fampiharana eny an-kianja.
- 𝐋𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐞𝐥𝐨 : 𝑬𝒂𝒈𝒍𝒆 – 𝑴𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒏 𝒂𝒖𝒕𝒐𝒏𝒐𝒎𝒆 (𝑴𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝑶𝒏𝒊𝒗𝒆𝒓𝒔𝒊𝒕𝒆𝒏’𝑨𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐) “Magasin autonome” dia vahaolana mamadika ireo fihetsika madinika miseho amin’ny fiainana andavanandro, toy ny fisokafan’ny varavarana sy ny fivezivezen’ny olona, ho lasa angovo madio. Natao hampiasaina amin’ireo toeram-pivarotana sy toerana be olona izy io, miaraka amin’ny rafitra ahafahana manara-maso amin’ny fotoana tena izy ny vokatra sy ny fahombiazan’ny famokarana angovo.
Ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia miarahaba ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny Science Hackday 2026, ary mirary fahombiazana hatrany ho an’ireo tanora mpianatra sy mpikaroka amin’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ireo vahaolana vaovao ho tombontsoan’ny fiaraha-monina.