Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra, na ny Fanjakana, na ny sehatra tsy miankina, na ireo matihanina sy mpiara-miombon’antoka, mba hampiasana amin’ny fomba feno ny anjara toeran’ny fizahantany amin’ny fampandrosoana.

Nandritra ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fizahantany, izay natao tao Mahajanga, dia nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana (MTA), Ramatoa VOLOLONIAINA Lucie, ny 27 Septambra 2026.

Nanotrona izany ny Praiminisitra Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana sy ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta.

Tanjon’ity fifanarahana ity ny hanatsarana ny kalitao sy ny fahatomombanan’ny fiofanana eny amin’ny ambaratonga ambony eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny, ary ny hanamafisana ny maha-matihanina ireo fiofanana ireo. Eo ihany ny fanohanana ny fanatanterahana ny tanjona amin’ny fivoaran’ny asa fitarihana mpizahantany eto Madagasikara.

𝐃𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐲 :

- fampifanarahana sy fanavaozana ny fiofanana araka ny fahaiza-manao takian’ny asa;

- fandraisan’anjaran’ireo matihanina amin’ny famolavolana sy fanatanterahana ny fiofanana;

- fanamafisana ny fahazaran'asa sy ny fampiharana eny anivon’ny orinasa;

- fanamorana ny fampidirana ireo nahazo diplaoma eo amin’ny sehatry ny asa;

- ary ny fampifandraisana bebe kokoa ny fankatoavana akademika ny diplaoma sy ny fankatoavana azy eo amin’ny sehatry ny asa.

Voakasik’ity fiaraha miasa ity ireo Anjerimanontolo, toeram-pampiofanana ary Sekoly Ambaratonga Ambony manerana an’i Madagasikara izay manolotra fiofanana mifandraika amin’ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny.

Ity fiaraha-miasa ity dia manamafy ny ezaka ataon’ny Fanjakana amin’ny fampifandraisana ny fiofanana, ny fahaiza-manao ary ny filàn’ny sehatry ny fizahantany, ho fanohanana ny fampandrosoana ny sehatra.