Manomboka ny 25 septambra ka hatramin’ny 27 Septambra 2026, mpandray anjara 40 izay mizara ho vondrona 11 no hifaninana amin’ny Science Hackday andiany faha 11 ao amin’ny UNIPOD Tsimbazaza, ary hamolavola tetikasa vaovao sy vahaolana azo ampiharina mifantoka amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana ara-tsosialy.
Nandritra ny fanokafana ny hetsika, dia nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa zava-dehibe ho an’ny Minisitera ny fanatanterahana hetsika toy izao izay manome sehatra ho an’ny mpianatra, mpikaroka ary mpisehatra amin’ny siansa Malagasy, hiara-hiasa akaiky sy hamolavola voka-pikarohana mifanaraka amin’ny filàn’ny fiaraha-monina ary manova ny fiainan'ny mpiray tanindrazana ho tsara kokoa, araka ny Politikan’ny Fitondrana Fanavaozana.
Ireo ekipa telo hahitana vokatra tsara indrindra dia hahazo fanohanana sy fanaraha-maso mandritra ny telo volana avy amin’ny UNIPOD, iandraiketan’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI), miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Orange Madagascar, hanohizana ny fampandrosoana ireo tetikasa.
Hetsika iraisampirenena ny Science Hackday, ary mikarakara izany eto Madagasikara ny Fitaleavana Ankapoben'ny Fikarohana Ara-tsiansa (DGRS) sy ny « Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique » (CIDST).