Ho fampiroboroboana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony, isan’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra Malagasy hanohy ny fianarany any ivelany.
Ny 24 Septambra 2026, noraisin’ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy teto Fiadanana ireo mpianatra Malagasy voafantina nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Fanjakana Malagasy hianatra any Rosia, miisa 40, ho an’ny taom-pianarana 2026/2027.
Nitsodrano ireo mpianatra nisitraka vatsim-pianarana ny Minisitra, sady nanentana azy ireo hifantoka amin’ny fianarana sy hahavita soa ny dian’izy ireo. Notsindriany manokana ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena, rehefa vita ny fianarana.
Efa misy amin’ireo mpianatra no hanainga ny 27 Septambra 2026, ka natolotra azy ireo tamin’io fotoana io ihany koa ny “attestation” mifandraika amin’ny vatsim-pianarany.