Lany tao amin’ny Antenimieram-pirenena tamin'ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovàna, nandritra ny fivoriana natao ny 24 septambra 2026, ny volavolan-dalàna laharana faha-039/2026 tamin’ny 17 Jolay 2026, mikasika ny fampiasana azo antoka, milamina sy am-pahalemana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara.
Ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia manana ny “Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires” (INSTN) izay ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahiny, misehatra manokana amin’ny angovo sy ny teknolojia nokleary. Araka ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, manamafy ny fampandrosoana ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fahalanian’ity lalàna ity, sady manokatra sehatra vaovao amin’ny fampiasana ny teknolojia nokleary ho an’ny fitsaboana, fambolena, fikarohana, harena an-kibon’ny tany ary indostria.
Nohavaozina ny Lalàna laharana 97-041 tamin’ny 02 Janoary 1998 mba hampifanaraka ny lalàna Malagasy araka ny fepetra sy ny toromarika iraisampirenena apetraky ny Sampan-draharaha Iraisampirenena misahana ny Angovo Atomika (AIEA). Nofenoina ireo banga hita tao anatin’ny lalàna teo aloha izay nifehy ny fampiasan’i Madagasikara ny teknolojia nokleary amin’ny fitsaboana ny aretina homamiadana, ny fambolena ary ny indostria. Anisan’ny fanamafisana natao ny fampidirana ny antoka fiarovana ny olona sy ny mpiasa ary ny tontolo iainana amin’ny voka-dratsy mety ateraky ny fampiasana ny teknolojia nokleary, ny fiarovana ireo singa sy loharano ny taratra nokleary amin’ny fampiasana tsy ara-dalàna; ary ny fiantohana fa tsy havadika ho fitaovam-piadiana ny fampiasana ny teknolojia nokleary. Zava-dehibe ihany koa amin'io lalàna io ny fananganana fahefana manokana, izay hisahana ny fanomezana alalana ny fampiasana ireo singa nokleary sy loharanon’ ny taratra nokleary, ary ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Voakasiky ny volavolan-dalàna ihany koa ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any amin’ireo faritra ahitana taratra nokleary hiarovana ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana.
Nankasitraka ireo Solombavambahoaka nandray anjara tamin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity ny Minisitra.