Notanterahina ny 05 septambra 2024 teto Fiadanana sy nampitain-davitra ny "Conférence des Présidents et Recteurs d'Institutions d'Enseignement Supérieur" na COPRIES niarahana tamin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla. Fivoriana faratampony mandinika sy manapaka ny mahakasika ny tontolon'ny fampianarana ambony eto eto amin’ny firenena, natrehin'ireo Filohan'ny Oniversite enina, ireo Talen’ny Oniversite manakaiky vahoaka, ireo Tale Jeneralin'ireo IST (Institut Supérieur de Technologie) manerana ny nosy ary ireo Filohan'ny sampam-pianarana samihafa. Nandritra izany no nanaovana tombana ny zava-misy sy hikatsahana paik’ady hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara.
Lohahevitra efatra lehibe no nodinihina dia ny momba ny fizotran’ny famaranana ny taom-pianarana 2023-2024, ny fidirana ho an'ny taom-pianarana manaraka, ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny ary ny andian-dalàna mifehy ny fizakan-tenan’ny Oniversite eto Madagasikara.