Tanora manodidina ny 300 avy amin’ny fampianarana ambaratonga ambony no mahazo fiofanana momba ny kolontsaina fandraharahana, izay karakarain’ny Minisiteran’ ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny Minisiteran’ ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), miaraka amin’ny CEENTRE sy ny Projet PIC (Pôles Intégrés de Croissance), ny 15 hatramin’ny 18 septambra 2026, ao amin’ny Plan Anosy.

Maro ireo tanora mahavita fianarana anefa mbola sahirana amin’ny fitadiavana asa. Mijery manokana azy ireo ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël amin’ny alalan’ny hetsika toy izao. Ao anatin’ity fiofanana ity no ianarana ny dingana voalohany tokony hatao amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny fandraharahana, manomboka amin’ny fahafantarana ny mombamomba ny tena sy ny safidy momba ny asa, hatramin’ny famolavolana hevitra sy tetikasa fandraharahana.

Mifamatotra amin’izany ny politikan’ny MESUPRES momba ny fampiharana ny voka-pikarohana izay mikendry ny hampivadika izany ho vahaolana sy asa azo tsapain-tanana, misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka, sady manampy amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora.

Nanombohana ny hetsika ny teto Antananarivo ary mbola hitohy any amin’ny faritra izany, ka Toliara no toerana handray ny fiofanana manaraka.

Nisolotena ny MESUPRES tamin’ny fanokafana ny fiofanana ny Talen’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, Dr ANDRIAMANDIMBY Souleman Ibrahim.