Manamafy sy mampivoatra ny politikany amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana manakaiky ny vahoaka ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), amin’ny alalan’ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahiany. Anisan’izany ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT), izay mankalaza ny faha-100 taonany.

Ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana dia nisy ny atrikasa fikaonandoha sy fifanakalozan-kevitra, « big dream », notanterahina tao amin’ny UniPod Tsimbazaza ny 15 septambra 2026, niarahan’ny MESUPRES sy ny PBZT tamin’ireo mpiara-miombona antoka samihafa.

Toeram-pikarohana, fiarovana ny zavamananaina ary fanabeazana ara-tontolo iainana ny PBZT. Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana ny fampitana izany amin’ny ankizy sy ny tanora, ny fikaonan-doha. Nodinihana ihany koa ny fomba hanomezana lanja ireo tahirin-kevitra sy fanangonana ara-tsiansa momba ny zava-manana aina, ny fiarovana ireo karazam-biby sy zava-maniry ary ireo tontolo iainana, ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy fitaovana ara-tsiansa, ary ny famolavolana tetikasa vaovao afaka mampivoatra ny PBZT.

Nitarika ny atrikasa ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES , Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ny Talen’ny PBZT.