Nisy ny fihaonana teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, (MESUPRES), ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, ary ireo teknisiana maro misehatra amin’ny fanabeazana, ny 11 septambra 2026, teny amin’ny MEN Anosy.

Mikasika ny MESUPRES manokana dia nitondra fanazavana momba ny Bakalorea sy ireo fepetra fanohanana omanina ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, Pr RAHERINIRINA Angelo.

Hihatra amin’ny fanadinana Bakalorea 2027 ny sokajy L, S ary OSE ary hisokatra amin’ny volana janoary 2027 ny fisoratana anarana.

Hisy paikady manokana mikasika ny famolavolana laza adina mba hijerena manokana ireo mpianatra nandalo kilasy taona voaohany tao anatin'ireo sokajy A-C-D ka hanala ny fanadinana L-S-OSE. Anisan’ny fepetra noresahina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny sekoly tsy miankina amin’ny famolavolana laza adina, ny fanamafisana ny fanofanana ireo mpampiofana, mba hampitoviana ny fomba fiasa sy ny fomba fampianarana ary ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpampianatra, ny Oniversite ary ireo ivon-toeram-pampiofanana, araka ny filàn’ny fandaharam-pianarana.

Nohamafisina tamin’ity fihaonana ity fa misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny MESUPRES, mba hiantohana ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’ ireo fanatsarana atao hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana.