Miisa 35 ireo mpitsabo nahafeno ny fepetra rehetra takiana ka nahazo ny mari-pahaizana « Agrégation », ary lasa Profesora Agrégé.
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 11 Septambra 2026 ny « Concours National d’Agrégation en Médecine Humaine et en Odonto-Stomatologie 2026 », izay natomboka ny 9 Septambra tao amin’ny INSPC Befelatanana.
Namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, niaraka tamin’ny delegasiona avy amin’ny MESUPRES, notarihin’ny Sekretera Jeneraliny, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala.
Nohamafisina tamin’izany ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hanome toerana haingana ireo Profesora Agrégés vaovao, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny sy mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fampianarana ara-pitsaboana, ny fikarohana ary ny fahasalamam-bahoaka, ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.