Nosokafan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, RANDRIANIRINA Michaël, tamin’ny fomba ofisialy ny 5 septambra 2026, ny "Festival du Citron" andiany faharoa. Hetsika izay tanterahina ao amin’ny Kaominina Ambovombe Centre, Disitirikan’i Manandriana, ny 4 ka hatramin’ny 6 septambra 2026.

Anisan’ny tena mamokatra ao an-toerana ny voasary makirana, izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena. Tanjona araka izany ny hanome lanja, hampiroborobo ny famokarana ary hanokatra lalam-barotra vaovao,ho an’ ity vokatra ity.

Ahitana tranoheva sy fampirantiana, fihaonambe, ary fandraisan’anjaran’ny mpianatra sy ny mpandraharaha ny hetsika. Lohahevitra mandritra izany : « Manome lanja ny voasary makirana, mandrisika ny toekarena, manorina ny hoavy ».

Nanotrona ny lanonam-panokafana ny Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, izay sady Minisitra mpiahy ny Faritra Amoron’i Mania, olom-boafidy ary tompon’andraikitra ambony maro.

Nandritra ity fitsidihana ny Distrikan’i Manandriana ity dia nanolotra Château d’eau, nitsidika ny ODOF izay manodina ny voasary makirana ho ranom-boankazo, nanolotra tantsoroka ara-tsakafo sy kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavanandro ho an'ireo olona marefo miisa 1000 ary nanatanteraka velatsihy niarahana tamin’ny vahoakan’i Manandriana ny Fitondram-panjakana.