Mitohy ny fanomezana torolalana ireo tanora mpianatra ho fanatsarana sy fampiakarana ny lentan'ny fampianarana ambaratonga ambony ary miara-misalahy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ireo Oniversite.

Maneho izany ny hetsika "Salon de l'étudiant" 2026 izay tanterahina ny 3 sy 4 septambra 2026 eny amin'ny "Esplanade Ankatso", ahitana trano eva manodidina ny 82. Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ary nohamafisiny fa anisany asongadina amin’ny hetsika toy izao ny fifandraisan’ny tolotra amin’ny fampiofanana sy ny sehatra araka asa misy, hahafahana mampandroso ny Firenana. Tanjona ihany koa ny fampahafantarana sy torolalana ho an’ireo tanora manana Bakalorea mba hahay hisafidy tsara ireo lalam-piofanana arahiny.

Lohahevitra mandritra ny hetsika ny hoe "𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒𝑛’𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜 : 65 𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎, 𝑚𝑖𝑧𝑜𝑡𝑟𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 ℎ𝑎𝑖𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎 𝑎𝑘𝑎𝑑𝑒𝑚𝑖𝑘𝑎 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑡𝑖ℎ𝑎𝑛𝑖𝑛𝑎".