𝑀𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑜 𝑧𝑎𝑣𝑎-𝑑𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑚𝑝𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑝𝑎𝑟𝑖𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑣𝑜𝑘𝑎-𝑝𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑟𝑖ℎ𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑅𝑒𝑝𝑜𝑏𝑙𝑖𝑘𝑎𝑛’𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 1 Septambra 2026, tao amin’ny Colbert Antaninarenina ny Besalohy FOFIFA X265-MP3, karazam-bary vaovao vokatry ny fiaraha-miasa ara-tsiansa teo amin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA) sy ny “Japan International Research Center for Agricultural Sciences” (JIRCAS).
Natao hamokarana vary mari-pototra sy maharitra indrindra amin’ny tanimbary tsy dia lonaka ny Besalohy. Nandalo ny fanombanana momba ny Fahasamihafana, Firindrana sy Fahamarinan-toerana (DHS) ary nahazo fankatoavana avy amin'ny Sampan-draharaha Ofisialy misahana ny fanaraha-maso ny Masomboly sy ny Akora Fambolena (SOC).
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ity karazam-bary ity ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin izay nankasitraka ireo mpikaroka sy izao vokam-pikarohana izao. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ,ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Andriamatoa RAMINDO Gaëtan, ny Masoivohon’ny Japana miasa eto Madagasikara ary ireo tompon’andraikitra maro.