Vinan’Atoa Filohan’ny Repoblika ny fametrahana ireo Oniversite manakaiky vahoaka ary tanjona amin’izany ny hanala ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny hampiana-janaka lavitra. Ankoatra izany, entina mitrandraka ny zava-misy ao amin’ny Faritra ihany koa ny fisian’izany noho ireo lalam-piofanana mifanaraka amin’ny filàna ao an-toerana.

Nitsidika ny Oniversiten’i Vakinankaratra ao Antsirabe ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 03 septambra 2024, nijery sy nanara-maso ny fandroson’ny asa fanorenana ao an-toerana. Tsy ho ela dia azo ampiasaina sy afaka handray ireo mpianatra ireo fotodrafitrasa, araka ny tombana mivantana nataon-dRamatoa Minisitra.

Nanambara ny tompon’andraikitra ao an-toerana fa mpianatra manodidina ny 2.000 no efa manovo fahalalana ao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra nandritra izay dimy taona izay. Ary ahitana Sampam-pianarana 12 izay mizara ho Rantsana 27.