Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Amoron’i Mania azy, dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Festival Ambodivoara andiany voalohany tao Fandriana ny Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 15 aogositra 2026. Haharitra telo andro ny hetsika, ny 14-15-16 aogositra 2026, izay ahitana tranoheva 100 fampirantiana sy fivarotana ireo vokatra avy amin’ny Faritra.

Nandritra ny hetsika dia namporisika ny fampiroboroboana ny fikarohana momba ny ambodivoara ny Minisitra, mba hahafahana manome lanja bebe kokoa ny voka-pikarohana. Efa misy, hoy izy, ny voka-pikarohana nampiasana ireo akora avy amin’ny toaka gasy ka nahafahana namokatra savony, ranomanitra ary fandrehitra.

Tanjona amin'ny hetsika ny hampiroboroboana ny vakoka sy ny kolontsaina, hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpamokatra sy ny mpanjifa, ary hisarihana ireo mpitsidika mba hampiroborobo ny toekarena eo an-toerana.