Anisan’ny vina entin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fampiroboroboana ny fikarohana manakaiky ny vahoaka sy mamaly ny filàna eny ifotony.
Mifanaraka amin’izany ny Ivontoerana Fikarohana mahakasika ny Vakisiny, naorina ao Vatovory, Ambositra, izay notokanan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy niaraka tamin’ny Pr RAKOTOZANDRINDRAINY Raphaël lehiben’ny « Madagascar Institute for Vaccine Research » sy Pr Florian MARKS, Tale Lefitry ny "International Vaccine Institute" Séoul notronin'ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny 15 Aogositra 2026.
Miara-miasa amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny “International Vaccine Institute” ary manana anjara toerana lehibe ho an’ny mpianatra sy ny mpikaroka ity laboratoara ity, indrindra amin’ny fanaovana “mémoire”, “thèse” ary fampiharana. Manamora ny fahazoana fikarohana sy vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ihany koa izany ary miantoka ny fampandrosoana ny Faritra Amoron'i Mania.