𝑀𝑎𝑛𝑎𝑘𝑎𝑖𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑣𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦.

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao Ankadinanahary, Ambositra, ny 15 Aogositra 2026 ny vato fototra hanorenana ny “Campus universitaire” Amoron’i Mania. Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Ity Campus ity dia hahazaka mpianatra 1500 hahitana birao, trano fianarana 4, efitrano fianarana lehibe, efitrano fanohanan-kevitra, efitrano famakiam-boky, "cafétéria" ary "dortoir" R+2 hahazaka mpianatra miisa 472 izay atao eny Ankorombe. Vinavinaina ho vita ny volana Jolay 2027 ny asa.

Ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia manamafy ny ezaka fanorenana fotodrafitrasa hampanakaiky ny fampianarana ambaratonga ambony amin'ny vahoaka sy hampifanaraka izany amin'ny filàn'ny Faritra ary hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana.