Ny 31 aogositra 2024 dia nandray ireo filohan'ny fikambanan'ny mpianatra rehetra ao amin'ny Oniversiten'i Mahajanga, tao amin'ny biraon'ny Filohan'ny Oniversite any an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.

Toy ny ray aman-dreny sy zanaka dia nampahafantatra ny hetahetan'izy ireo mba ho fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana ireto solontenan'ny mpianatra ireto. Ao anatin'izany ny fangatahana "wifi" sy trano fonenan’ny mpianatra ary fampiakarana ny vatsim-pianarana hifanaraka amin'ny vanim-potoana fa indrindra ny fametrahana jiro mba hiantohana ny fandriam-pahalemana eny amin'ny campus.

Tetsy ankilany dia nanamafy ny Minisitra fa misokatra tanteraka amin'ny fifampiresahana ho fitadiavam-bahaolana. Nampahatsiahy ihany koa ny tenany fa azo atao tsara ny miresaka amin’ny Filohan’ny Oniversite ary vonona ny handray ny rehetra hatrany ny Ministera raha tsy voavaha eny aminizany dingana izany ny olana. Mikasika ireo fangatahan’ireo mpianatra dia nanambara ny Minisitra fa hojerena izay azo atao avy hatrany, manaraka aoriana kosa ny ambiny.