Taorian’ny fitsidihana tany Ambositra, dia nitohy tao Fandriana ny dian’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 8 Aogositra 2026.

Nitsidika ny fanorenana efitrano fianarana ho an’ny UNIVAM- Annexe ao Fandriana ny Minisitra, ary nihaona tamin’ireo mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha ka nifantoka tamin’ny fifampiresahana momba ny zava-misy sy ny filàn’ny fampianarana ambaratonga ambony ny fihaonana. Nialoha izany dia nisy ny velatsihy niarahana tamin’ireo mpisehatra ireo.