Nitsidika ny toerana hanorenana ny “Campus Universitaire” ao Ankadinanahary, Ambositra, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy niaraka tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny 8 Aogositra 2026.
Hapetraka amin’ny herinandro ho avy izao ny vato fototra araka ny nambaran'ny Minisitra. Tanjona amin'ny fanorenana ity "Campus Universitaire" ity ny hampiakarana ny lenta sy ny kalitaon'ny fampianarana ambaratonga ambony amin'ny alalan'ny fananganana fotodrafitrasa mendrika sy maoderina.
Ao anatin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pampianarana isam-paritra dia misy ny vinavina fametrahana Ôfisin’ny Bakalorea isaky ny Oniversitem-paritra, tahaka ny efa misy any SAVA, Itasy, Vakinankaratra ary Analanjirofo.
Nitsidika ny UNIVAM ihany koa ny Minisitra, ary nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra notarihin’ny Filohan’ny Oniversite. Nifampizarana tamin’izany ny zava-misy sy ny hetahetan’ny Oniversite.