Vaindohan-draharahan'ny Fitondram-panjakana, tanterahin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny fametrahana Oniversite manakaiky ny vahoaka mba hanitarana ny fahafahan'ny tanora manohy fianarana ambaratonga ambony.

Nijery ifotony ny fomba hahafahana mametraka Oniversite manakaiky vahoaka ao amin'ny Faritra Fitovinany, Distrikan'i Manakara ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin'ireo manam-pahefana tao an-toerana, ny 31 Jolay 2026.

Hodinihina manokana ireo lalam-piofanana mifanaraka amin'ny filàn'ny Faritra sy ny sehatra mampandroso ny toekarena ao an-toerana, mba hahafahan'ny Oniversite mamaly ny filàn'ny mponina sy ny fampandrosoana.

Tanjona amin'izao tetikasa izao ny hanamaivana ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny sy hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanohy fianarana ambaratonga ambony akaiky ny Faritra misy azy, ka tsy voatery hifindra lavitra intsony.