Nanatanteraka fitsidihana teny amin'ny Oniversiten’Itasy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny alakamisy 29 aogositra 2024. Nijery ny fizotran'ny fampianarana sy ny tetik'asan'ny Filoham-pirenena ao an-toerana ny tenany nandritra izany.

Mandeha tsara ny asa ary tsy ho ela dia azo tokana ny fotodrafitrasa raha ny tombana mivantana nataon-dRamatoa Minisitra, efa azo ianarana sy azo ampiasaina amin’ny taom-pianarana manaraka ireo fotodrafitrasa. Noho izany, nisaotra ny fomba fiasan'ny ao amin’ny fitantanana ny Oniversiten’Itasy ny tenany amin'ny fanarahana ireo toromarika izay napetraka.

Nomarihan’ny Tale mitantana ny Oniversiten’Itasy fa mandray anjara amin’ny fanorenana ireo mpianatra, manao fizarana asa (stage en ingénierie) ary ny Oniversite no manome tambiny ho azy ireo. Fomba fiasa izay hita fa mahomby sy azo ampiharina any amin’ireo Oniversite hafa. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina mba entina hampandrosoana ny Oniversite. Vonona hanohy hatrany ny asa izy ireo mba hampanaram-penitra ny Oniversite izay sahaniny.

Ahitana lalam-piofanana efatra ny ao amin'ny Oniversiten’Itasy, Mentions 16 ary Parcours 20. Nahatratra 2300 ireo mpianatra mandranto fianarana nandritra ny taom-pianarana 2023-2024.