Lanonana fohy nefa manan-danja no nentina nitso-drano ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 31 aogositra 2024, tao amin'ny Mosikiriny Mahajanga.
Amin'ny maha zanak'i Mahajanga azy dia nanatanteraka izany ireo Olobe sy ireo mpitondra fivavahana Silamo sy Kristiana tao an-toerana, nahitana Pastora mirahalahy nisolotena ireo mpitondra fivavahana. Niarahaba sy nirary soa azy hahavitabe amin'ny andraikitra izay nanendren'ny Filoham-pirenena azy ihany koa ireo Raiamandreny ara-pivavahana ireo
Nanome toky ny Minisitra fa tsy hamela ho irery ny zanak'i Mahajanga ary nohamafisiny fa tsy hanova azy ny andraikitra izay napetraka aminy. Niantso ny rehetra hifanome tanana amin'ny asa rehetra miandry ihany koa ny tenany.
Taorian'ny lanonana dia nanao vavaka fangatahana tao amin’ny Mosikiriny Ramatoa Minisitra.