Manome lanja ny fikarohana ara-tsiansa ho vahaolana mivaingana amin'ny fampandrosoana ny firenena ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny MESUPRES. Izany no antony hanohanany hatrany ireo sehatra mampiroborobo ny fanavaozana sy ny fahalalana ara-tsiansa.
Anisan'izany ny DOCTORIALES andiany faha-12, tanterahina eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny 15 ka hatramin'ny 17 Jolay 2026. Mpikaroka miisa 55 avy amin'ny Oniversite eto Madagasikara sy any Afrika no mandray anjara amin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra, atrikasa, fampirantiana ara-tsiansa ary famolavolana tetikasa iarahan'ny sehatra samihafa.
Nosokafan'ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin, tamin'ny fomba ôfisialy ny hetsika, niaraka tamin'ny Minisitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Hanohana bebe kokoa ny fikarohana ny Governemanta, ary ireo voka-pikarohana miavaka dia homena sehatra manokana ao amin'ny Filan-kevitry ny Governemanta, mba hampifandray akaiky ny fikarohana sy ny fanapahan-kevitra ho fampandrosoana ny Firenena, hoy ny Praiminisitra.
"65 𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑖𝑠𝑜𝑛𝑔𝑎𝑑𝑖𝑛𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑎-𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎 : 𝑚𝑎𝑚𝑜𝑟𝑜𝑛𝑎, 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜, 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎-𝑚𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎-𝑚𝑖𝑒𝑟𝑖𝑡𝑟𝑒𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑛𝑡𝑜𝑙𝑜 𝑟𝑎ℎ𝑎𝑚𝑝𝑖𝑡𝑠𝑜" 𝑛𝑜 𝑙𝑜ℎ𝑎ℎ𝑒𝑣𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑒𝑛𝑡𝑖𝑛'𝑖𝑡𝑦 𝑎𝑛𝑑𝑖𝑎𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎-12 𝑖𝑡𝑦.