Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana ny delegasiona avy amin’ny "Japan International Cooperation Agency" (JICA) notarihin’i Haruhiko IGAWA, "Premier Adjoint au Représentant Résident de la JICA" sy ny delegasion'ny Oniversiten’Itasy tarihin'ny Filohany, Pr RANDRIANJA Roger, ny 08 Jolay 2026.

Anisan’ny laharam-pahamehana nodinihina ny fanomezana fitaovana ho an’ny laboratoara momba ny harena ankibon’ny tany, izay hanatsara ny fampiofanana ara-teknika ho an’ny mpianatra, hanamafy ny fikarohana ara-tsiansa ary hampiroborobo ny fanavaozana eo amin’ity sehatra ity.

Ity fiaraha-miasa ity dia mifanaraka amin’ny ezaka ataon’ny MESUPRES amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-tsiansa ary ny fanomezana lanja bebe kokoa ny harena voajanahary ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Nandritra ny fihaonana ihany koa dia noresahina ireo sehatra hafa azo hiaraha-miasa amin’ny MESUPRES, anisan’izany ny fanohanana kasaina hatao amin’ny "Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza" (PBZT) .