Fararanon-danonana ny tao Mahajanga ny 29 sy 30 aogositra 2024 satria nisitraka fotodrafitrasa maromaro sy nametrahana vato fototra maromaro ny Oniversiten’i Mahajanga.
𝐅𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐨 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 « 𝐆𝐫𝐚𝐧𝐝-𝐀𝐦𝐩𝐡𝐢𝐭𝐡𝐞́𝐚̂𝐭𝐫𝐞 », 𝐧𝐲 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐈𝐒𝐒𝐓𝐌 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐔𝐌
Napetraka ny vato fototry ny Grand-Amphithéâtre, sy trano maromaro izay hiorina ao amin’ny Institut Supérieur de Sciences et Technologie de Mahajanga (ISSTM) ary ny Ecole de Pharmacie de l’Université de Mahajanga (EPUM). Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, notronin’ny fianakaviamben’ny Oniversiten’i Mahajanga notarihan’ny Filohany, Pr RANDRIANAMBININA Blanchard ary ireo olo-manankaja maro, solontenam-panjakana sy olom-boafidy avy ao amin’ny Faritra Boeny.
Manoloana ny fiakaran’ny isan’ireo mpianatra dia tsy maharaka intsony ireo fotodrafitrasa natokana handraisana azy ireo ka antony hanorenana vaovao hatrany. Trano ahitana rihana efatra (R+3) hampiasaina ho birao sy toerana fiazarana asa ho an’ny mpianatra no hiorina ary koa trano miisa telo ho an’ny EPUM.
Nandritra ny lahateniny no nanambaran-dRamatoa Minisitra fa mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izao fanorenana fotodrafitrasa izao. Naneho fisokafana amin’ny fifampiresahana ihany koa ny tenany hisorohana ny fitokonana sy fitakiana mateti-pitranga. Mpampianatra mpikaroka rahateo Ramatoa Minisitra ka tsapany ireo olana mianjady amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ka mila hitondrana vahaolana.
Ny Filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga ihany koa dia nanome toky fa vinan’ny Oniversite ny hanome fampianarana tsara kalitao ho an’ny rehetra, izay fanoitra ho an’ny fampanfdrosoana ny maha olona. Nankasitraka ny Ministera ny tenany amin’ny fanohanana.
Niavaka ny fandraisana an-dRamatoa Minisitra tao Mahajanga ary tonga marobe nanotrona ny lanonana ireo mpianatra, ray aman-dreny, mpanabe ary mponina ao an-toerana.
𝐅𝐢𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐈𝐋𝐂-𝐒𝐒 𝐬𝐲 𝐞𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐋𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐅𝐢𝐳𝐚𝐡𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲
Ny 29 aogositra 2024 dia efa nisy ny fitokanana ny Centre d’investigation en Arts, Lettres et Sciences de l’Institut des Lettres, Civilisations et Sciences Sociales (ILC-SS) sy ny trano R+1 ary ny École du Tourisme ka nisolotena an-dRamatoa Minisitra ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr SALAVA Julien.
Ny fanokafana ny Lalam-piofanana Fizahantany ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga dia mamaly ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ary mifanaraka amin’ny vinan’ny Ministera, izay manamora ny fidiran’ireo tanora nahavita fianarana amin’ny sehatry ny asa ary hampiroborobo ny toe-karena any amin’ny Faritra Boeny manontolo.