Natao ny 24 jona 2026 teny amin’ny Lapan’ny Manjakamiadana ny fanaovan-tsonia teo amin'ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘳𝘢𝘵𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘈𝘮𝘣𝘰𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘬𝘢𝘳𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘪𝘢𝘯𝘴𝘢 tamin'ny alalan'ny Talen'ny "Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza" (PBZT) sy 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 tamin'ny alalan'ny Talen'ny Ofisin'ny Rovan'i Madagasikara, ho fametrahana ny taolambalon’ity dinôzôry lehibe ity ao amin'ny PBZT.
Biby lehibe, mirefy hatrany amin’ny 7 metatra sy milanja maherin’ny 1 taonina ny 𝘔𝘢𝘫𝘶𝘯𝘨𝘢𝘴𝘢𝘶𝘳𝘶𝘴. Mpikaroka ny taolam-balon’izany biby izany no nahita azy ary naranty tetsy amin’ny Rova etsy Manjakamiadana ka izao apetraka amin’ny toerana fitahirizana vakoka ara-tsiansa etsy amin’ny 𝘗𝘢𝘳𝘤 𝘉𝘰𝘵𝘢𝘯𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘦𝘵 𝘡𝘰𝘰𝘭𝘰𝘨𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢𝘻𝘢𝘻𝘢 (𝘗𝘉𝘡T) izao.
Izao fiaraha-miasa izao dia manamafy ny anjara toeran'ny PBZT amin'ny maha ivontoeram-pikarohana sy fanabeazana azy, sady mampisongadina ny lanjan'ny fikarohana ara-tsiansa amin'ny fampandrosoana ny Firenena araka ny nambaran'ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Tetsy an-kilany nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamatoa GASCAR Fenosoa fa isan'ny vina napetraky ny Fitondram-panjakana ny fampisongadinana ny fahaiza-manaon'ireo manampahaizana Malagasy sy ny famerenana ny vakoka amin'ny toerana sahaza azy. Araka izany, ny PBZT no toerana mifanaraka indrindra amin'ny fitahirizana sy fampirantiana vakoka tahaka izao.