Nandray ireo vondrona sy fikambanana mpisehatra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teto Fiadanana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 29 aogositra 2024. Araka ny toromariky ny Filoham-pirenena hoe : « mila mandeha haingana ny fampandrosoana », dia ilaina ny mifanakalo hevitra amin’izy ireo noho izy ireo mifarimbona amin’ny fampandrosoana ny Ministera. Fihaonana voalohany ihany izao notanterahina izao, ka mbola hisy ny fihaonana manaraka.
𝐂𝐨𝐥𝐥𝐞𝐜𝐭𝐢𝐟 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐫𝐨𝐟𝐞𝐬𝐬𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐝𝐞𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞́𝐬:
Noraisin’ny Minisitra ireo solontena avy amin’ny « Collectif des Professeurs des Universités », izay notarihan’ny Pr RAKOTOMANANA Hajanirina.
Nodinihina tao ny fanatsarana hatrany ny fampianarana sy ny Oniversite na ny atao hoe « excellence ». Hampiana ihany koa ny Oniversite manakaiky vahoaka satria tena ilaina izany. Efa nandroso soso-kevitra momba ny volavolan-dalàna ho fanatsarana ny Oniversite izy ireo. Hotanterahina any Toamasina amin’ny volana novambra 2024 ny fivoriana isan-taona fanaon’ny vondrona ka hanasany an-dRamatoa Minisitra sy ireo vahiny avy any ivelany. Isany lohahevitra hodinihina amin’izany ny momba ity « excellence » ity.
𝐒𝐄𝐂𝐄𝐒:
Nihaona tamin’ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra "SECES" ihany koa ny Minisitra. Nitarika ny delegasiona ny Filoha nasionaly, Pr RANDRIAMIALINORO Faliarivony.
Fihaonana nentina nampahafantarina ireo mpikambana eo anivon'ny SECES, ary nitondrana fiaraha-miasa azo tanterahina entina hanatsarana sy hampandrosoana ny Ministera.
𝐀𝐂𝐄:
Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanan'ny Mpikaroka Mpampianatra na ny "Association des Chercheurs Enseignants" (ACE) eto anivon'ny Ministera notarihin’ny Filohany, Dr BAOHANTA Rondro dia nihaona tamin-dRamatoa Minisitra.
Ireo vinan’asany ny fikambanana, ny ifandraisany amin'ny SECES, ary ireo fiaraha-miasa azo atao eto anivon'ny Ministera foibe no voaresaka nandritra izany. Tanjon'ny ACE ny fanomezana lanja ny Mpikaroka sy ny vokam-pikarohana izay ataony mba ho isan'ny fototra iray hijoroan'ny fampandrosoana ny firenena. Voaresaka ihany koa ny maharary ireo ivon-toeram-pikarohana eto Madagasikara izay mila vahaolana.