Tafiditra hatrany ao anatin'ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana sy ho fanatrarana ny tanjona ao anatin’ny 100 andro dia mitohy ny hetsika fanentanana amin'ny fandrindrana ny fiainana ara-pananahana ho an’ny tanora mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Mpianatra manodidina ny 200 no nisitraka izany tao amin’ny Oniversiten’Analanjirofo, ny 05 martsa 2024.
Mpianatra lavitra ny vohoka tsy nirina sy mandray an-tanana ny hoaviny ary mahavita ny fianarany hatramin’ny farany no tanjon’izao hetsika iarahan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, amin’ny alalan’ny CIDST, miaraka amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izao.