Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla teto Fiadanana ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II, ny alatsinainy 26 aogositra 2024.
Laharam-pahamehana ary vaindohan-draharaha aminy ny hamahana ny olan’ny mpianatra eny amin’ny Campus Ankatso II, mikasika ny jiro sy ny rano ary ny kalitaon’ny trano fonenana. Efa nidina ifotony teny an-toerana izy ny zoma 23 aogositra lasa teo ary efa nisy koa ireo tompon’andraikitra mijery akaiky ireo lafin-javatra ireo mba hamahana ny olana ara-teknika.
Nilaza Ramatoa Ministra fa andraikitry ny Ministera ny manetsiketsika ny tompon’andraikitra voakasik’ireo olana rehetra ireo. Nanome toky ihany koa ny tenany fa hanao izay hivahan'ny olana haingana araka izay azo atao, araka ny tarigetra hoe: “Ministera manakaiky Oniversite no tanjona
Naneho fisaorana mitafotafo ho azy kosa ireo solontenan’ny mpianatra amin’ny fandraisana an-tànana sy ny fikarakarana azy ireo.