Nitarika ny fananganan-tsaina ny alatsinainy 26 aogositra 2024 ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa vaovao, Pr CHAMINAH Loulla.

Hafaliana ho an’ny mpiasa rehetra ny niarahaba sy nandray azy. Fisaorana no natolotry ny Minisitra ary nanentana izy amin'ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho fampandrosoana ny ministera. « Tsy vitako izaho samirery ny fampihodinana ny Ministera fa ianareo tsirairay no atokisako ary isika rehetra miaraka no fahombiazana ».

Nisaotra manokana ny ekipa nikarakara ny Bakalorea ihany koa ny tenany. Misokatra ho an’ny rehetra ny varavarany, hoy izy, indrindra mikasika ny olana saro-bahana.

Nankasitraka an-dRamatoa Minisitra ny solontenan’ny mpiasa amin'ny fanetren-tena sy ny fahavononany hampandroso ity departemanta ity. Hirarian'ireo mpiasa ny hijerena manokana ny lafiny sosialy eto anivon’ny ministera.