Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 22 aogositra 2024 eny amin'ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely ny hetsika "Salon de l'étudiant 2024", izay karakarain'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin'ny alalan'ny Ivon-toerana momba ny Torohay sy Fahalalàna Siantifika ary Teknika (CIDST). Andiany faharoa ity hetsika ity ary nahazoana fankatoavana tamin’ny Filan-kevitry ny Governemanta.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr LAZAMANANA André Pierre. Nandritra izany no nanentanany ny rehetra ny amin'ny fangatahana ny « habilitation » sy « accréditation » mba hampiakarana ny lenta sy ny kalitaon'ny fampianarana.

Tranoheva 80 sy mpandray anjara manodidina ny 75 no hita ao toy ny ivon-toeram-pampianarana ambony miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Raha 10 000 no mpitsidika nandrasana tamin’ny taon-dasa dia vinavinaina ho 20 000 izany amin’ity andiany faharoa ity. Mampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan'anjaran'ireo ivon-toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana misy eto Madagasikara sy ireo ivon-toeram-piofanana avy any amin'ny faritra.

Manampy ireo tanora sy ireo ray aman-dreny ny hetsika amin’ny fisafidianan’ny mpianatra ny lalana handrafetany ny hoaviny sy ampahafantaran’ireo ivon-toeram-pampianarana ny tolotra misy ao aminy. Hisy ireo famelabelaran-kevitra iarahana amin'ireo mpisehatra matihanina ka lohahevitra sivy no horesahina amin’izany.

Misokatra ho an'ny tanora eto Antananarivo sy avy any amin’ireo faritra ny hetsika, ary haharitra telo andro. Mbola hisy ny « Salon de l’étudiant » atao any Toamasina ny 30 sy 31 aogositra ho avy izao.